{"id":1341,"date":"2025-10-22T04:01:00","date_gmt":"2025-10-22T04:01:00","guid":{"rendered":"http:\/\/audiomateria.com\/?p=1341"},"modified":"2025-10-24T19:15:34","modified_gmt":"2025-10-24T19:15:34","slug":"miankina-aminny-ranomasina-izy-ireo-mba-hivelomany-saingy-ankehitriny-miharava-ny-aina-ao-an-dranomasina","status":"publish","type":"post","link":"http:\/\/audiomateria.com\/index.php\/2025\/10\/22\/miankina-aminny-ranomasina-izy-ireo-mba-hivelomany-saingy-ankehitriny-miharava-ny-aina-ao-an-dranomasina\/","title":{"rendered":"Miankina amin\u2019ny ranomasina izy ireo mba hivelomany. Saingy ankehitriny, miharava ny aina ao an-dranomasina."},"content":{"rendered":"
\n

\"\"

\n\tIndray maraina mazava masoandro tamin\u2019ny volana septambra, niverina an-tanety ireo mpanjono tao Ambolimailaky, tan\u00e0na iray amoron-dranomasina any atsimo-andrefan\u2019i Madagasikara. | Garth Cripps ho an\u2019ny Vox\t<\/figcaption><\/figure>\n

Click here<\/a> to read this story in English.<\/em><\/p>\n

HELODRANON\u2019NY RANOBE, Madagasikara \u2014 Ny haran-dranomasina (vatohara) izy tenany dia tena tsara tokoa. Miaina any amin\u2019ny dimy kilaometatra miala ny morontsiraka izy ireo, any amin\u2019ny rano lalina manodidina ny dimy ambin\u2019ny folo metatra, ary dia toy ny tany mikitoantoana misy loko mavokely, manga, ary volomboasary, mipetraka ao anatin\u2019ny ranomasina manga lalina. Ny singany iray amin\u2019ny vatohara dia vondron-biby madinika velona, ary manana endrika hafahafa maro, manomboka amin\u2019ny endrika toy ny lovia fasiana mofomamy sy toy ny ambin-kazo avy amin\u2019ny penisilihazo noharatana ka hatramin\u2019ny endrika toy ny tandroka sy toy ny atidoha.<\/p>\n

Fa nisy zavatra iray mazava tsara tsy hita tao: trondro. Toy ny tan\u00e0na tsy misy olona, dia saika foana avokoa ilay haran-dranomasina \u2014 tsy misy trondro, tsy misy drakaka, tsy misy lamaira (mur\u00e8ne), ary tsy misy biby an-dranomasina hafa izay tokony ho hita amin\u2019ny haran-dranomasina.<\/p>\n

\"\"<\/p>\n

Maraina mazava tamin\u2019ny volana Septambra ny andro, ary tamin\u2019izay no nanaovako fijibihana (plong\u00e9e) tao amin\u2019ny haran-dranomasina iray tao atsimon\u2019ny andrefan\u2019i Madagasikara, firenena nosy iray ao atsinanan\u2019i Afrika. Ary toy ny haran-dranomasina maro amin\u2019ny faritra manodidina sy ny hafa maneran-tany, dia efa eo andalam-pahasimbana izy ireo. Ny fanjonoana mihoapapana no naha ritra ny trondro ety amin\u2019ny ranomasimbe, ka rehefa mandeha ny fotoana dia mihamahazo vahana ny lomo-dranomasina (algue) ary lasa mandrakotra ny haran-dranomasina. Ny fitomboan\u2019ny hafananan\u2019ny ranomasina sy ny hamafin\u2019ny rivodoza, miampy ny fandripahana ala any an-tanety, dia anisan\u2019ny loza ho an\u2019ny haran-dranomasin\u2019io firenena io, izay isan\u2019ny manana karazana biby sy zavamaniry maro indrindra eto amin\u2019izao tontolo izao.<\/p>\n

Olana lehibe izany ho an\u2019ny olona manamorona ny morontsiraka eto atsimo-andrefan\u2019i Madagasikara. Miankina amin\u2019ny jono ny fiainan\u2019izy ireo \u2014 ny fanjonoana biby an-dranomasina dia tena ilainy, ary matetika dia io no hany loharanon-tsakafo sy vola \u2014 kanefa rehefa potika ny haran-dranomasina dia potika koa ny jono. Ao amin\u2019ny haran-dranomasina ny trondro no matory, no mihinana, no miafina ny ireo biby mpihaza, ka raha tsy eo intsony izany dia sahirana izy ireo amin\u2019ny fahavelomany. Toe-javatra sarotra izany : ny fahasalamana sy ny fiainan\u2019ny olona eny amorontsiraka dia miankina amin\u2019ny jono, kanefa ny fanjonoana be loatra koa dia isan\u2019ireo antony lehibe mahatonga ny haran-dranomasina \u2014 sy ny jono izay tohanany\u2014 hihena.<\/p>\n

Io fifanoherana eo amin\u2019ny fiainan\u2019olombelona sy ny fiainan\u2019ny biby io dia tsy eto atsimo-andrefan\u2019i Madagasikara ihany no misy azy. Ity nosy ity, izay onenan\u2019ny olona manodidina ny 33 tapitrisa, dia isan\u2019ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, ka manodidina ny 80 isanjaton\u2019ny mponina no miaina amin\u2019ny vola latsaky ny 12 000 ariary isan\u2019andro. Matetika tsy manan-tsafidy hafa ny olona afa-tsy ny miankina mivantana amin\u2019ny tontolo iainana mba hahazoana izay ilaina amin\u2019ny fiainana.<\/p>\n

Ao anatin\u2019izany anefa, ny fanjakana dia tsy nahavita nanome akory ny tolotra fototra toy ny jiro azo antoka sy rano madio \u2014 mainka moa fa na dia lalana hivoahana amin\u2019ny fahantrana sy amin\u2019ny fiankinana amin\u2019ny fitrandrahana. Tamin\u2019ity vanim-potoana fararano ity, izany tsy fahombiazan\u2019ny fanjakana izany dia niteraka fihetsiketsehana tao anatin\u2019ny herinandro maromaro izay notarihin\u2019ny tanora manerana an\u2019i Madagasikara, izay eo amin\u2019ny 20 taona eo ho eo ny salan-taonany. Vokatr\u2019izany, dia nesorin\u2019ny Antenimierampirenena tamin\u2019ny 14 Oktobra ny filoha, ary noraisin\u2019ny miaramila ny fitondrana. Tsy mbola mazava izay dikan\u2019io fiovan-kery io ho an\u2019i Madagasikara sy ho an\u2019ireo tanora mitaky fiovana.<\/p>\n

Noho ny fil\u00e0na mavesatra misy amin\u2019ny maha olombelona, tsy mahagaga raha maro amin\u2019ireo tontolo iainana malaza eto amin\u2019ny firenena no mihasimba ihany koa. Araka ny fikarohana, hatramin\u2019ny fiandohan\u2019ity taonjato ity, dia efa simba hatramin\u2019ny antsasaky ny haran-dranomasina velona eto Madagasikara, ary tahaka izany koa ny ala voajanahary. Saika ny karazana gidro rehetra, biby izay hita eto Madagasikara ihany \u2014 dia tandindomin-doza ho lany tamingana.<\/p>\n

\"\"\"\"<\/p>\n

Ny fanjakana sy ireo fikambanana tsy miankina dia nandany am-polony taona maro \u2014 sy vola an-jatony tapitrisa dolara avy amin\u2019ny fanampiana avy any ivelany \u2014 mba hiatrehana ireo olana ireo amin\u2019ny fomba izay efa nahazatra, toy ny fananganana faritra arovana izay mandrara ny fanjonoana. Fa ny asehon\u2019i Madagasikara dia izao: matetika tsy mahomby ny tetikasa fiarovana raha toa ka mainka manasarotra ny fiveloman\u2019ny olona tena mahantra izany. Ary hita mazava fa io no antony lehibe nahatonga ireo tetikasa fiarovana maro tsy nahomby any amin\u2019ireo toerana manankarena biby sy zavamaniry, izay matetika hita any amin\u2019ireo  firenena mahantra.<\/p>\n

Ny toerana toy Madagasikara dia mampiseho fa ilaina ny fomba fiarovana amin\u2019ny fomba hafa \u2014 fomba izay tena mametraka ny olona sy izay ilainy ho fototra iaingana, mba hiaina tsara sy ho feno fahatanterahana. Izay indrindra no nahatonga ahy nakany amin\u2019ny Helodranon\u2019ny Ranobe, toerana nandalovako herinandro tamin\u2019ny volana Septambra. Niaraka tamin\u2019ny mpanjono sy ekipa mpikaroka iraisam-pirenena aho, nitsidika fikambanana kely iray izay manandrana mamerina amin\u2019ny laoniny ny jono sy ny vokatra azo avy aminy, nefa tsy manakana ny jono mihitsy. Ny tanjon\u2019ny tetikasa dia ny hanampy olona. Ny fiarovana ny tontolo iainana dia  vokatra an-daniny fotsiny.<\/p>\n

\n

Tony ny ranomasina ary feno sambo<\/strong> kely misy lay rehefa tonga indray maraina aho teo amoron-dranomasina tao Ambolimailaky, tan\u00e0na mpanjono iray. Ireo lay tsofin-drivotra \u2014 maro amin\u2019izy ireo vita amin\u2019ny gonim-bary efa nampiasaina ary nozairina miaraka \u2014 no nitondra ny lakana hazon\u2019ireo mpanjono, izay antsoin\u2019izy ireo hoe lakan-day na lakam-boaly, ho eny amin\u2019ny morontsiraka.<\/p>\n